Biby arovana

Sokatra miisa 152 tratra teny amin'ny 67ha


  • Alarobia 01 Aprily 2026

Tra-tehaka tao an-tokatranon’olona

iray teny amin’ny faritry ny 67 ha ny alin’ny 30 martsa teo, ny sokatra Astrochelys miisa 152 izay natao tao anaty valizy miisa 2. Vokatry ny loharanom-baovao voaray avy amin’olona tsara sitrapo sy ny fiaraha-miasa teo amin’ny polisim-pireneza avy ao amin’ny avy aoamin’ny kaomisaria boriborintany faha-7 67ha ary ny Sampan-draharaha miady amin’ny kolikoly eto anivon’ny Minisitera no nahatrarana ireto biby arovana ireto. Mbola karohina kosa ny tomponantoka sy izay mpiara-miombon’antoka tamin’izao fitrandrahana an-tsokosoko izao. Henjana ary tsy misy indra fo ny sazy miandry ireo mpitrandraka an-tsokosoko harena voajanahary. Miara-mientana ao anatin’izany ady izany ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana TPI PAC amin’ny fanomezana sazy hentitra ireo izay tratra.
Jean D.

Fanisana ireo sokatra tratra teny amin'ny 67ha
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT