BIBILAVA HAFAHAFA

Nanenjika mpianatra handeha hianatra


  • Alarobia 30 Aprily 2025

Nitrangana toe-javatra hafahafa tao Ambatonaorina, Milamaina Fandriana distrikan’Ambositra

omaly Talata 29 Aprily maraina. Bibilava miloko maintso mainty manana loha somary fisapisaka no voalaza ho nanenjika mpianatra, raha handeha hianatra maraina ireto farany. Voatery nampandre ny manodidina ireto mpianatra vokatr’izany. Efa nanaovana fomba ara-drazana toy ny fanomezana azy toaka sy tantely ary vatomamy ity bibilava ity saingy mbola tena nasiaka be ihany hoy ny vaovao. Tsy azo nolalovana ny faritra nahitana azy nandritra ny ora maromaro. Miantso izay mety mahalala an'io karazam-biby io araka izany ireo mponina any an-toerana mba hanampy azy ireo fa matahotra sy mihorohoro fatratra tokoa. Mety ho tonga amin’ny toerana maro toy ny eny an-tsena, any am-pianarana, eny an-tanana, ny toerana filalaovan’ny ankizy….mihitsy mantsy ity biby ity ka mety hanaikitra tampoka.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny karazan’ilay biby !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT