Olona niisa 131 no voarohirohy noho ny resaka kolikoly tao anatin’ny telo taona nifanesy raha tao anatin’ny Faritra Atsinanana, Analanjirofo ary Alaotra Mangoro.
32 tamin’ireo notazomina vonjimaika any am-ponja ary ny 99 nahazo fahafahana vonjimaika. Nivoitra ireo nandritra ny tatitra nataon’ny birao iraisam-paritry ny Bianco Toamasina tany Ambatondrazaka omaly zoma 06 jona. Ireo asa vita nandritra ny vanim-potoanan’ny krizy io nomena io dia ny taona 2011-2012-2013. Mahakasika ny tamin’ny taon-dasa dia betsaka ireo fanentanana natao mahakasika ny ady amin’ny kolikoly tamin’ireo faritra telo ao anatin’ny Faritanin’i Toamasina teo aloha na teo aza ny tsy fahampiana ara-pitaovana noho ny krizy, hoy ny Tale iraisam-paritry ny Bianco Toamasina, Rabenarisoa Emile. Tompon’andraikitra ara-panjakana niisa 463 no nanao ny filazam-pananany tamin’ny taona 2013. Kaominina niisa 13 no voatsidika tamin’ny taon-dasa tany amin’ny Faritra Atsinanana, 6 tao Analanjirofo ary 11 tany Alaotra Mangoro. Afa-po tamin’ny asa vitany tamin’ny taon-dasa ny birao iraisam-paritry ny Bianco Toamasina raha mijery ny toe-bola nampiasaina tamin’izany. Mino izy ireo fa amin’izao fiverenana ny mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara izao dia hihatsara sy tena ho lavorary ny asa izay tanterahan’io sampana miady amin’ny kolikoly io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.