Bianco

Mbola mafy ny manenjika ireo trondro vaventy!


  • Alakamisy 15 Mey 2025

Tranga kolikoly 598 no voamarika, ary efa nalefa tany amin’ny Fitsarana mahefa ny

Firaketana an-tsoratra mifandraika amin’izany. Fitomboana 7,5% izany raha oharina amin’ny taona 2023. Araka ny tatitra ofisialy navoakan’ny Bianco ny talata lasa teo, olona 174 no naiditra am-ponja vonjimaika, fitomboana 83,16% io raha mitaha amin’ny taona lasa. Fitarainana 2688 no voaray tamin’iny taona 2024 iny, saingy ny 1322 monja no azo natao fanadihadiana, izany hoe 49,18%. Vita kosa ny fanadihadiana amin’ny fitarainana 1950, ka nahatonga fisamborana olona 680. Avy amin’ireo, 174 no niafara tamin’ny famonjana vonjimaika. Misy mpikambana iray ao amin’ny governemanta sy mpikambana 10 ao anatin’ny andrim-panjakana no nohadihadiana, nefa tsy nisy nogadraina. Araka ny tatitra, vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana no ambony indrindra amin’ny tranga (23,41%) ka olona 26 no naiditra am-ponja. Manaraka azy ny sehatry ny fananan-tany (14,21%) sy ny fanabeazana (13,71%) izay nahitana olona 7 sy 4 naiditra am-ponja vonjimaika. Ny Zandarimariam-pirenena sy ny Fitantanana ny lafin-tany samy mitana 7,86%. Amin’izany, mpiasam-panjakana 131 sokajy ABCD no voakasika, 11 amin’izy ireo no voafonja. Mpiasam-panjakana 13 notendrena tamin’ny didim-panjakana no tafiditra am-ponja. Ny Fitsarana mihitsy aza tsy afa-bela: eo amin’ny 6,02% ny tranga voarakitra, olona 23 no voakasika.G Fanagiazam-pananana miisa 25 no tanterahina, mitentina 23,8 miliara Ar. Tafiditra ao anatin’izany ny kaonty amin’ny banky, trano, tany, fiara ary fanaka. Hatramin’ny volana aprily 2025, fitarainana 184 vaovao no tratra. Olona 581 no nohadihadiana, ka 32 no naiditra am-ponja vonjimaika. Tombanana ho 100 miliara Ar mahery ny vola very noho ny kolikoly, ary efa nisy 94 miliara Ar voagiazana. Na dia misy vokatra hita aza, mbola lavitra ny làlana. Madagasikara dia laharana faha-140 amin’ireo firenena 180 eo amin’ny tondro iraisam-pirenena momba ny kolikoly (IPC 2024), ary zara raha mahazo naoty 26/100. Mbola sarotra henjehina ireo trondro vaventy. Anisan’ny sakana ny fiarovana ara-politika, toy ny ao amin’ny Antenimierampirenena, ka tsy miampita amin’ny HCJ ireo raharaha be mavesatra.
Niaiky ny Tale Jeneralin’ny Bianco, Razakamanantsoa Gaby Nestor, fa tsy mahita porofo matanjaka no antony tsy hanenjehana trondro vaventy. “Tsy azo terena toy ny voalobo-jaza,” hoy izy. Misy ihany koa ireo antokon’asa na « corps des fonctionnaires » tsy azo kitihana raha tsy mahazo fahazoan-dàlana mialoha, ka eo dia efa misy ny sakana. “Eto Madagasikara ihany no ahitana an’izany. Raha ohatra ka minisitra no tadiavina dia hanome ve izy?” Mikasika ny ampamoaka mandeha amin’ny Facebook, nilaza izy fa indraindray fandranitana no ao ambadik’izany. Nilaza fa tsy fanalam-baraka no tanjon’ny Bianco, fa ny fampihenana ny kolikoly. Tsy mpivoy an’ireny, hoy izy, fa manara-baovao sy manao fikarohana hentitra ary manamarina aloha. Mbola lavitry ny kitay ny afo e !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT