Nanao tatitry ny asany tao anatin’ny telo volana ny birao misahana ny ady amin’ny kolikoly ao Mahajanga omaly zoma tao amin’ny foibeny Bord de la mer
Nivoitra tamin’izany fa anisan’ireo tena nandraisan’ny Bianco fitarainana kolikoly be indrindra ny Kaominina, ny Faritra Boeny, Sofia ary Betsiboka. Manaraka azy ireo ny polisy, ny fitsarana, ny zandary ary ny sampandraharahan’ny fananantany sy ny hetra. Tao anatin’io fe-potoana io dia tafakatra 80 ny antontan-taratasy nalefan’ny Bianco Mahajanga teny amin’ny Fitsarana ary olona 11 no efa notazonina vonjimaika eny am-ponja.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.