Actualités

BIANCO Hijery akaiky ireo famatsiam-bola azo


  • Zoma 17 Aprily 2020

Mahazo laka ny fanodikodinana ireo harena voajanahary amin` izao krizy ara-pahasalamana izao.

 

 

 

 

Nanazava ny andraikitra iantsohoran` ny Birao misahana ny ady amin`ny kolikoly (BIANCO) amin`izao fahamehana ara-pahasalamana izao ny tale jeneralin` ity rafitra ity, Laza Eric Donat Andrianirina, nandritra ny valandresaka niarahana tamin` ny mpanao gazety omaly. Miisa 30 ireo fitarainana sy fitorohana voaray tamin` ny alalan` ny e-Toroka. Amin` ny ankapobeany dia miompana amin` ny olana ara-tsosialy ny ankamarony. Nanome antoka I Laza Eric Donat Andrianirina fa hisokatra ny fanadihadiana ataon`ny BIANCO raha ilaina aorian` ny fihibohana. Hisy ny paikady vaovao Mode Opératoire Faire-Faire (MOFF) hanatanterahina izany. Ho jerena akaiky ny famatsiam-bola vahiny azo amin` izao ady amin` ny “coronavirus” izao ary mivonona hanafoana ny kolikoly izay misandrahaka manerana ny nosy. Tsy ho vitan` ny BIANCO irery ny hiady amin` izany fa hisy hetsika fanentanana iarahana amin` ireo fiaramonim-pirenena. Marihana fa ireo fanadihadiana mikasika ny kolikoly dia hotanterahana miaraka amin` ireo rafitra samihafa toy ny OPJ sy ireo sampandraharaha eo anivon` ny Tahirim-bolam-panjakana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT