Maika ny fandrafetana ny paikady nasionaly hiadiana amin’ny kolikoly, hoy ny tale jeneraly vaovao Andriamifidy Jean Louis.....
Voafaritra ao anatin’ny drafi-paikadin’ny Birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly taona 2014-2019 ny hifantoka amin’ny teboka vitsivitsy ao anatin’ny fotoana fohy mba hanitsiana ny fahasimban’ny toetsaina sy fanarenana ny hasin’ireo andrim-panjakana difotry ny kolikoly. Eo aloha ny hamongorana ny kolikoly eo anivon’ireo fifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakana. Ilaina ny fiaraha-miasa matotra amin’ny minisiteran’ny asam-panjakana. Tsy hisy ihany koa ny famindram-po ho an’ireo sokajin’olona rehetra mpandika lalàna izay hanokafana fanadihadiana avy hatrany. Hohamafisina sy hohenjanina ny fampiharana ny lalàna amin’ireo ambaratongam-paritry ny Bianco ka hosokafana avy hatrany ny fanadihadiana na tsy misy aza fitarainana sy fitoriana voaray manoloana ireo fanondranana tsy ara-dalàna ireo harem-pirenena. Hiady amin’ireo karazana tsy rariny manjaka eo anivon’ny fiarahamonina toy ny fahafantarana olona ambony ity rafitra miady amin’ny kolikoly ity mba hisian’ny fifampitokisana eo aminy sy ny vahoaka. Tanjona ny hametraka kolontsaina mangarahara sy lamina hanjakan’ny fitsipi-pifehezana madio eo anivon’ny fiarahamonina mifototra amin’ny fanabeazana, hoy ny tale jeneraly.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.