Olana goavana manapotika ny seha-panjakana ny kolikoly, araka ny hevitry ny 57%n’ireo sokajin’olona nanaovana fanadihadiana. Manamafy izany rahateo ny laharana misy ny firenena Malagasy manerantany izay tsy nitsahatra nitotongana tao anatin’ny 5 taona naharetan’ny krizy
Vanim-potoana nampahazo vahana ny gaboraraka teto Madagasikara rahateo ny tsy filaminana teo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Fanambin’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) moa ankehitriny ny hampihena ireo trangan-javatra rehetra tsy mifanaraka amin’ny fanjakana tan-dalàna, ny tsy rariny sy ny hitsiny ary ny tsy fahamarinana eto amin’ny firenena. Nisantaran’ny Bianco ny fandraisana andraikitra ny fanaraha-maso akaiky ny fifaninanana fidirana ho mpanara-maso ny Tahirim-bolam-panjakana izay hotanterahana ny 12 sy 13 aogositra 2014 ho avy izao. Handray an-tànana mivantana amin’ireo dingana rehetra amin’ny fifaninanana ny Bianco ary hanolo-tsaina manomboka any amin’ny fandrafetana ireo laza adina ka hatrany amin’ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ny vokatra farany. Tsy mijanona eo anefa ny asan’ny Bianco fa hamoaka ny tatitra ahitana ireo fanamarihana sy tolo-kevitra hanatsarana ny fanomanana ireo fanadinana fidirana ho mpiasam-panjakana rehetra ho avy. Hetahetan’ny besinimaro moa ny hamoahana izany am-pahibemaso.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.