Actualités

Bezaha Tovolahy maty voahitsaky ny sarety nentiny


  • Alarobia 30 Jolay 2014

Fitaovam-pitaterana mbola betsaka mampiasa any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana ny sarety tarihin’omby na maro aza ny loza aterany

Afak’omaly antoandro tany amin’ny kaominina Bezaha, distrikan’i Betioky Atsimo, dia tovolahy iray vao erotrerony 19 taona mpitondra sarety no maty voahosin’ny sarety nentiny vokatry ny fianjerany. Olona roa niaraka taminy kosa naratra, raha ny vaovao voaray avy any an-toerana. Avy niantsena nividy entana handeha hody izy telo mianaka ireto no tratr’izao loza tampoka izao. Raha iny variana nandroaka sarety iny ilay tovolahy dia somary nidina kely niala tamin’ilay sarety nentiny. Nony niverina niakatra anefa izy dia nibolisatra tampoka  ka nianjera tamin’ny tany ary dia voahosin’ilay sarety nentiny ihany. Na dia niezaka niala nenina nitsabo azy aza ny fianakaviana dia tsy tana intsony ny ainy noho ny ratra mafy nahazo azy nanandrify ny tratrany sy ny tendany. Navesatra loatra mantsy ilay sarety ary ny omby roa nitarika azy tsy nijanona mihitsy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT