Nampanontanintena ireo mpanotra maro tonga teny amin’ny fitokanana ny jiron’ny tanŕna vaovao eny Bevomanga Soaniedanana RN 4 omaly ny fanotronan’ny depiote voafidy tao amin’ny Boriborintany
faha-6 ny lanonana teny an-toerana fa tsy nahatazanana kosa ny depiote voafidy avy eny Ankazobe. Raha nionona tamin’ny fieritreretana fa tsy nahazo taratasy fampandrenesana angamba ity farany ny rehetra dia nilaza mazava koa ramatoa solombavambahoaka voafidy teny amin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo-Renivohitra, Raherisoa Vololona Victorine, fa noho ny fiaraha-misa matotra misy eo aminy sy ny Hafari Malagasy no nahateo azy sy noho ny efa fahazarany koa amin’ny fijerena ny sosialim-bahoaka hatrizay. Nitady toko ka sendra vato moa ny tena amin’ny fisian’izao hetsika nataon’ity fiarahamonim-pirenena ity izao. Manomboka amin’ny vahoaka, hoy izy, ny mihoitra handresy ny fahantrana dia hanampy azy ny fitondram-panjakana avy eo. Minia mikimpy sy manetsin-tadiny izay tsy mahita sy mandre izao zava-bitan’ny fiaraha-mientana izao.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.