Efa hananika ny roa volana aty aoriana vao nisy valiny ny fikarohan’ireo fianakaviany sy ny fikambanan’ny “Betsileo” ao Toamasina, mikasika ny tsy fahitana ireo mpamongady roa lahy nisy niantso tamin’ny findainy fa misy ny entana lafarinina nanaovany komandy
Raha ny fazavana azo tamin’ny fianakavian’izy ireo sy ny fikambanana Betsileo ao Toamasina nijery ny razana tao Brickaville nahitana ny vatana mangatsiakan’izy roa lahy, dia mifatotra tongatra aman-tanana sy mbola voatampina “scotch” ny vavany ary niantona tao ambany tetezana no nahitana azy. Efa simba be koa ny razana tamin’izao nahitana azy izao ka mihevitra ny mpitsabo sy ny polisy ary ny zandary nijery ny zava-nisy, fa efa tsy latsaky ny tapa-bolana no nametrahan’ireo jiolahy azy ireo tao saingy izao vao nisy nahita. Avy hatrany moa dia nentina nihazo ny tanindrazany any Ambositra izy roa lahy nisy namono ireto. Niara-nisalahy tamin’izany ny fianakaviany sy ny fikambanana Betsileo ao Toamasina. Raha hiverenana ny tantara, izy roa lahy ireo no fakana an-keriny faharoa tao Toamasiana taorian’ilay teratany karana Alek Owen. Nisy niantso tamin’ny finday ny iray izay samy mpamongady enta-madinika ao Toamasina fa misy ny lafarinina notadiavin’izy ireo. Niantso ny namany ilay iray nisy niantso tamin’ny finday ka nanomana vola hividianana ny entana ary hifampizarana avy eo, ka teny Tanandava RN2 ny fotoana. Niandry ny fiverenany nitondra entana ny fianakaviany. Tsy azo tamin’ny finday intsony anefa izy roalahy. Efa nisy olona am-polony voasambotry ny zandary misahana ny heloka bevava ary efa niakatra fitsarana, saingy nahazo famotsorana vonjimaika avokoa, araka ny fahitan’ny fitsarana ny tsy maha-meloka azy ireo. Teo am-pikarohana ilay heverina ho atidoha teto Antananarivo ireo fianakaviana sy ny mpitandro ny filaminana, izao hita tao Brickaville izao izy roa lahy. Ho hita eo ny ho tohin’ny raharaha. I Alak Owen sy ireo roa vavy nandeha nividy “fripperies” sisa no tsy hita nisy naka an-keriny tao Toamasina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.