Maro ny fitarainana hataon'ny mponina ao Betongolo sy ny manodidina mahakasika ny trano iray antsoin’izy ireo hoe : "Getho".
Fivarotana sy fifohana rongony io trano io ka sady manempotra ny fofona havoakany no manimba ny ho avin’ny tanora ihany koa. Nanao ny atao hoe : "Opération de ratissage” ny teo anivon'ny polisy misahana ny zava-mahadomelina afak’omaly 09 septambratokony ho tamin'ny 11 ora atoandro ka trano iray izay notondroin'olona tsara sitrapo no narahina maso ka nahitana zatovo lahy maro maro. Miditra hatrany ao anatin’ilay trano ireto farany ka avy hatrany dia niroso tamin'ny fitsofohana tao amin'ilay trano ny Polisy. Lehilahy miisa 08 no hita tao ka mpivarotra rongony ny 01 ary mbola teo am-pifohana rongony kosa ny 07 hafa. Nandritra ny fisavana ny trano no nahatratrarana rongony miisa 19 fonosana. Tsy ampy taona ny iray tamin'izy ireo, mpianatra ny 02 ary efa miasa kosa ny 04 ambiny. Samy niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny fanadihadiana natao ary natolotra ny fitsarana avy hatrany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.