BESARETY SY MAHAVOKY

Orana 30 minitra dia dibo-drano ny tanàna


  • Alakamisy 18 Janoary 2024

Efa mitaintaina andro aman’alina ireo mponina eny Mahavoky sy Besarety

nanomboka tamin’ny Alatsinainy teo. Raha vantany vao mikija mafibe mandritra ny 30 minitra tahaka ireny mantsy ny ranon’orana hoy ny fanazavan’ireo mponina dia efa dibo-drano avokoa ny tanana. Tonga hatrany an-tokantrano hatramin’ny rano maloto no sady tapaka ihany koa ny lalana. Raha araka ny fantatra dia vokatry ny fahatsentseman’ny lalan-drano mpamoaka rano eny an-toerana no mahatonga izany. Efa an-taonany maro mantsy no tsy nisy fanajariana intsony teny amin’iny faritra iny fa ny fokontany no manao izay tratra amin’ny fanadiovana hoy hatrany ny mponina. Misy amin’ireto farany ihany koa hoy ny vaovao no manao ny hataony ka tsy mahatsapa akory fa mandrora mitsilany izy ireo rehefa manary fako any anaty tata-drano ka mbola manao ihany na dia amin’ny fotoam-pahavaratra tahaka izao aza.
Pati
Legende : Ranobe tahaka izao no hiainan’ny mponina eny Besarety nanomboka ny Alatsinainy teo !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT