BESALAMPY

Botry iray nahatrarana hazo « palissandre » 113 tsy mazava


  • Talata 16 Janoary 2024

Botry iray tany amin’ny distrikan’i Besalampy tany no fantatra fa nahatrarana hazo palissandre

miisa 113 tsy mazava. Vokatry ny velam-pandrika nataon'ireo mpitandron'ny filaminana niaraka tamin'ireo olona tsara sitrapo tao Antevamena Fokontany Ankilimonga no nahatrarana ilay botry. Saika haondran’ireo ati-doha nikotrika izany any amin’ny toerana tsy fantatra ireo hazo sarobidy marobe ireo. Haingam-piasa anefa ny mpitandro ny filaminana ka teo am-piaingana mihitsy no sarona ilay botry. Nankasitraka manokana ny lehiben'ny OMC Distrika Atoa Bezokiny Yris Jacky sy ny lehiben'ny Distrikan’i Besalampy izay miady mafy amin'ny fanapotehana ny ala sy ny fanondranana ny harena sarobidy tahaka izao moa ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana. Tsiahivina moa fa efa nisy ihany ireo botry na sambo tratra nikasa hanondrana harem-pirenena tahaka izao saingy toa nanjavona tsy nisy tohiny avokoa ny ankamaroan’ireny raharaha ireny.
Pati
Legende : Ity ilay botry tratra sy ireo hazo sarobidy tao anatiny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT