Actualités

BEPC Nitombo 67 isa ny foibem-panadinana


  • Alatsinainy 06 Jolay 2015

Nihena 1730 ny isan’ireo mpiadina hiatrika ny fanadinana BEPC amin’ity taona ity manerana ny Nosy. Nahatratra 323.523 izy tamin’ny taon-dasa ary nidina ho 321.771 tamin’ity taona ity.

 

 

 Antony dia noho ny tsy faneken’ireo sekoly sasany ireo mpianatra ao amin’ny taona fahavalo hiatrika ny fanadinana BEPC sy ny fisian’ireo rivodoza mahery vaika nandalo  teto amintsika ka nampitsoaka an-daharana ireo ankizy. Na izany aza anefa dia nampitomboina 67 ny isan’ireo foibem-panadinana handray ny mpiadina mba hahafahan’ny rehetra miaina ara-dalana. Tontosa tamin’iny herinandro nivalona iny ny fifanentanana farany ny laza adina rehetra. Narahina safidy izany rehetra izany  izay haparitaka avy hatrany any amin’ireo foibem-panadinana miaraka amin’ny mpitandro ny filaminana. Tanjona ny hahafahana miaro ireo laza adina tsy hivoaka mba ho tombontsoan’ny  rehetra. Ny 03 Aogositra ho avy izao no hanomboka ny fanadinam-panjakana BEPC an-tsoratra, efa vita kosa ny adina ara-panatanjahantena.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT