Ben’ny tananan’Arivonimamo

« Hazavao tsara ilay fakan’ny Fanjakana ny hetran’ny kaominina »


  • Talata 27 Mey 2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Fitondram-panjakana mikasika ny fanalana ny hetran-trano sy ny hetran-tany eny anivon’ny kaominina ho lasa aterina eny amin’ny foibe fandoavan-ketra ny ankamaroan’ny Ben’ny tanana. Tsy manana fidiram-bola afa-tsy haban-tsena intsony mantsy izy ireo amin’izao raha mbola tsy ampy ihany koa ny fanazavana entin’ny tompon’andraikitra. Nivoaka tamin’ny fahanginana omaly ny Ben’ny tananan’ny kaominina ambonivohitr’Arivonimamo Randriamirado Harinosy Onja ka nambarany fa tokony hitondra fanazavana bebe kokoa ny Fitondram-panjakana momba izany. Tsy fantatra hoy izy na afaka hafiriana vao miverina manontolo eny anivon’ny kaominina io hetran-trano sy hetran-tany io. Ahoana ihany koa no tokony hataon’ny Ben’ny tanana mba tsy ho ela loatra ny fiverenan’izany… Farany izay tsy kely akory hoy hatrany ity Ben’ny tanana iray ity dia tsy tokony hatao vesatra ho an’ny mpandoa hetra ny fisian’izany fa tokony hamoraina aza. Raha 3.000 Ar mantsy ny hetran-trano tokony alohan’ny tokantrano iray dia tsy maintsy handoavany 60.000 ka hatramin’ny 80.000 Ar saran-dalan’ny taxi-moto hiakarany eto an-drenivohitra izany ka tokony hojerena ihany hoy izy. Manginy fotsiny ny fotoana lany….
Pati
Legende : Randriamirado Harinosy Onja, Filohan’ny Fikambanan’ny Ben’ny tanana ao anatin’ny distrikan’ Arivonimamo no sady Ben’ny tananan’ny kaominina ambonivohitr’Arivonimamo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT