Ben’ny tanàna manerana ny Nosy

Miantso ny hampitsaharana


  • Alakamisy 13 Novambra 2025

ny antsojay sy fanenjehana

Lany ho Filohan'ny fikambanan'ny Ben'ny tanana manerana ny Nosy ny Ben'ny tananan'ny kaominîna Ampitatafika, distrikan'Atsimondrano Rado Ramparaoelina. Omaly Alarobia 12 Novambra no notanterahina tetsy amin'ny gymnase Mahamasina ny fifidianana nandritra ny fihaonamben'ireo Ben'ny tanana mihaotra ny 1600 isa. Nofidiana tamin'io omaly io ihany ireo mpikambana ao anatin'ny birao maharitra. Tao anatin'ny hafaliana tanteraka no nandraisan'ity Ben'ny tanana ity izany andraikitra makadiry natolotra azy izany. Amin'ny ankapobeny dia tsy mivoana amin'ny resaka fampandrosoana ny kaominîna ny asa hotanterahiny toy ny fanomezana fiofanana ny Ben'ny tanana sy ny fikatsahana izay mahasoa. Fa ankaotra io dia nanao fanambarana niaraka ny fikambanana ho tombotsoan'ireo Ben'ny tanana rehetra . Hangatahin'ny tsirairay ny hihaona mivantana amin'ny Filoham-panjakana ny kolonely Rakotonirina Mickaël. Toraka izany koa ny hampitsaharana ny antsojay sy ny fanenjehana azy ireo, indrindra fa ny famoronana dosie. Avelao ny Ben'ny tanana hiasa malalaka hoy izy ireo ary hatsaharo ny fanalana ireo olom-boafidy amin'ny toerany.
Pati
Legende : Tao anatin'ny tsiky tanteraka no nandraisan-dRafo Ramparaoelina ny andraikiny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT