Ben’ny Tanàna Djaovojozara Jean Luc

Noraisin’Antsiranana ho toy ny mahery fo


  • Zoma 24 Oktobra 2025

Tafaverina soa aman-tsara ao Antsiranana

Ben’ny Tanàna Djaovojozara Jean Luc, rehefa avy nanao sesin-tany ny tenany tany amin’ny Nosy La Réunion. Olom-boafidy isan’ny mamy hoditra indrindra ao Antsiranana, saingy nanaovan’ny Fitondrana Rajoelina antsojay, nentina nanitsakitsahana ny safidim-bahoaka. Namoronana dosie, nohelohina 5 taona sazy mihatra sy onitra 20 000 000Ar ny septambra 2024. Voatery nitsoaka sy nisitrika taorian’ny fahatafapetrahan’ny taratasy filatsahan-kofidiana nahafahany nandray anjara tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna ny 11 desambra 2024. Na afaka nanao propagandy, saingy nolanian’ny vahoaka tamin’ny salan’isa 65% be izao. Tsy afaka nandray ny asany na nankatoavin’ny HCC sy ny Filankevi-panjakana aza ny fahalaniany soa aman-tsara. Mbola netraketrahina hatrany, ka nohitsakitsahana ny safidim-bahoaka, nametrahana PDS tao Antsiranana. Isan’ny nitsangana i Radovola Rakotobe mpampianatra ao amin'ny IST-D ao Antsiranana, nijoro teo anoloan'ny Lapan'ny Tanàna tao an-toerana nanentana ny vahoaka fa tsy rariny ny mahazo ny Ben'ny Tanàna Jean Luc Djaovojozara, saingy fisamborana no setriny avy amin’ny Fanjakana jadona tamin’izany fotoana, nentina nanitsakitsahana ny safidim-bahoaka. Ny Praiminisitra teo aloha Ntsay Christian, ny depiote Jocelyne Maxime, ny governoran’i Diana Taciano Rakotomanga no ampangain’ny vahoaka ho tao ambadiky ny ankasomparena. Tafaverina soa aman-tsara, ary noraisin’ny vahoakan’Antsiranana ho toy ny maherifo na « héros » ny ben’ny tanàna Djavojozara Jean Luc omaly. Rakotra vahoaka ny Kianjan’ny 13 mey tao Antsiranana. Nisaotra ny tanora, mpianatra ary vahoaka mpitolona izy, sady nankasitraka ireo zanaka lavo nandritra ny tolona ho an’ny firenena.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT