BEN’NY TANANA AO TALATAMATY

Mbola ho kandida Atoa Elie Dominic


  • Alakamisy 27 Jona 2024

Mbola ho kandida amin’ny fifidianana Ben’ny tanana amin’ny volana Novambra ho avy izao Atoa Raharinoasy Elie Dominic,

Ben’ny tananan’ny kaominina Talatamaty am-perin’asa. Nivoitra izany nandritra ny fankalazana ny fetin’ny 26 Jona teny amin’ity kaominina ity afak’omaly Talata 25 Jona, lanonana notanterahina teo an-tampon-tanana. Fampahafantarana ny vahoaka ny asa vitan’ny Ben’ny tanana tao anatin’ny 4 taona nitantanany, fanaovana matso nandraisan’ireo mpianatra, mpiasan’ny kaominina, orinasa maro isan-tsokajiny anjara no notanterahina tao an-toerana. Betsaka ny asa vita hoy ny Ben’ny tanana. Efa mahatratra 90% izany saingy mbola misy ihany koa ireo tokony hotohizana. Mba hahafahana manohy izany indrindra no antony manosika azy mbola hilatsaka hofidiana indray ho fanasoavana ny vahoakan’i Talatamaty. Mitohy araka izany ny lalana ho an’ity Ben’ny tanana ity. Tsiahivina moa fa saika voakasika tao anatin’ny asa nataony avokoa ireo foto-drafitrasa mamaly ny filam-bahoaka ao Talatamaty toy ny fananganana sekoly ahitana ny EPP Ankadivory, Mahaibahoaka, Tanjondava ary Ambohinambo. Ny CSB vaovao ao Amborompotsy, ny famatsiana fitaovana sy masomboly ireo tantsaha mpamokatra, fandrotsahana zana-trondro isan-taona tao Andranotapahana, ny fanomezana fiofanana ny tanora sy ny mpanao asa tanana, ny fitsinjovana ireo zokiolona sy sahirana ary manana fahasembanana… Nofaranana tamin’ny fizarana loka ho an’ireo mpandray anjara nivoaka mpandresy tamin’ny lalao baolina kitra sy tsipy kanetibe ny lanonana. Nisy ny nahazo omby mifahy, ondry, gisa….
Pati
Legende : Tongotra mby an-dakana ny fampandrosoana ny kaominina Talatamaty ho an’ny Ben’ny tanana Elie Dominic !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT