Ben'ny tanànan'i Bemanonga teo aloha

Hita faty nihantona i Miadamana Roberto


  • Talata 20 Mey 2025

Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,

kaominina ambanivohitra Bemanonga, i ROBERTO Miadamana, izay Ben’ny tanàna teo aloha tao an-toerana. Voalaza fa nanaton-tena ny tenany. Araka ny tatitry ny fianakaviany sy ireo nanatri-maso, dia nahitana taratasy roa teo akaikin’ny razana, saingy efa nalain’ny mpitandro ny filaminana. Tsy mbola mazava hatreto ny antony nahatonga azy hanao izany fihetsika izany, hoy ny fanamarihana. Voalaza fa misy hafatra mahakasika ny toerana handevenana azy izay ao Androvabe kaominina Bemanonga ihany tamin’ny alalan’ny taratasy izay navelany. Rehefa maina hono ny nofo mangatsiakany vao entina any an-tanindrazany. Nialoha izany nisy ny karazana fanehoan-kevitra nataony tamin'ny tambajotran-tserasera toy ny hoe: "mafy ity fiainana ity, ao ny mamosavy, ao ny maniry ny tena ho faty", "raha mandao ity tany be fahoriana ity aho dia hifety amin'izay ianao mpanenjika ahy",... Toa maneho ireo fa nanana olana manokana ity olom-boafidy teo aloha ity saingy mety mbola betsaka ihany koa ny zavatra ambadiky ny fahafatesany. Anisan'ireo olom-boafidy sahy nijoro sy nanatsikafona ireo toe-javatra tsy manjary, toy ny resaka asan-dahalo sy tsy fandriampahalemana Itompokolahy Miadana Roberto fony mbola Ben'ny tanana. Mankahery ny fianakaviany.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT