Ben'ny tanàna ao Ambato

"Mila hamafisina ny


  • Alatsinainy 10 Novambra 2025

fandriampahalemana any ambanivohitra"

Mila hamafisina ny fandriampahalemana any Ambanivohitra, hoy ny ben'ny tanànan'ny kaominina Ambato, distrikan'Ambohidratrimo, Sarobidy Rakotondravao, satria efa hitantsika tsara ny zava-nitranga tamin’ny taona 2009 taorian’ny fanonganam-panjakana, fotoana nanararaotan’ireo dahalo sy niteraka fijalian’ny tantsaha maro, hoy izy! Anisan’ny loza mafy indrindra ny halatr’omby, izay tena mahavoa ny tantsaha. Raha tsy misy omby dia tsy vita ny fambolena, satria omby no hery manosika ny fiainan’ny tantsaha sy ny fampandrosoana eny ambanivohitra. Amin’izao fotoana izao dia ilaina ny fifantohana sy fiaraha-mientana, satria raha variana loatra any an-tanàn-dehibe isika ka tsy mijery ny zava-misy eny Ambanivohitra dia io no fahafahan’ny fahavalom-pirenena manararaotra sy manimba ny fiainam-bahoaka. Noho izany dia manao antsoavo aho ho an’ny tomponandraikitra rehetra mba hamafisina ny fandriampahalemana sy ny fiarovana any ambanivohitra, mba hahafahan’ireo tantsaha miasa, miary ary miaina am-pilaminana. Tsy tiana intsony ny hiverenan’ny korontana sy ny tsy fandriampahalemana izay nandrava fiainam-pianakaviana maro sy nampahoriana ny mpiara-belona. Manantena isika fa eo ambany fitantanan’ny miaramila dia ho voafehy tsara ny lafiny fandriampahalemana mba hanana Ambanivohitra milamina, mivoatra, ary mandroso, hoy hatrany ity ben'ny tanana ity.
Nangonin'i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT