BEN'NY TANAN'AMBOSITRA

Ividiano masomboly ny devizy bé dia bé hanafarana vary


  • Talata 18 Novambra 2025

Naneho ny heviny mikasika ny paikady

tokony hampiharina mba hahatongavana any amin'ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny Ben'ny tananan'ny kaominîna ambonivohitr'Ambositra Rakotozandrindrainy Raphaël. Nambarany fa tantsaha mpamokatra avokoa ny 80%-n'ny Malagasy. Raha tiana ny hahatongavana amin'izany hoy izy dia tokony ireo tantsaha no karakaraina amin'ny alalan'ny fanamboarana ireo karazana foto-drafitrasa ilain'izy ireo. Ho an'ny kaominîna ambonivohitr'Ambositra manokana dia fantatra fa eo am-panamboarana ny barazy izy ireo ankehitriny raha efa mirotsaka ihany koa ny ranon'orana fa tsy tara. Toraka izany koa hoy izy ny famatsiana masomboly tsara sady mora ho azy ireny. Tolo-kevitra hatolony ny Fitondram-panjakana araka izany ny hoe : ividiano masomboly ny devizy bé dia bé hanafarana vary any ivelany. Tsy mila manafatra vary intsony isika hoy izy raha tsara tohana sy tsara karakara ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika.
Pati
Légende : Izy no Rakotozandrindrainy, Ben'ny tananan'ny kaominîna ambonivohitr'Ambositra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasàna nomerika

Hijery ny tohiny
FTT