Nitrangana fanafihan-dahalo nahery vaika indray tany amin’ny Distrikan’i Beloha, faritra Androy, ny herinandro teo.
Andian-dahalo am-polony nirongo basy nanafika tao amin’ny kaominina ambanivohitra Marolinta. Raha vao tafiditra tamina tokantrano iray ireo malaso tonga dia nanao tifitra variraraka avy hatrany. Voatifitra teo amin’ny sandriny ilay rangahy tompon-trano sady mbola narahin’ireo dahalo ny daroka nandrahona azy hamoaka ny vola rehetra tao an-trano. Nilaza tsy manana ity raim-pianakaviana ka mbola notifirin’ireo olon-dratsy tamin’ny feny, sady nokapain’ireto mpandroba tamin’ny famaky tsy nananan’izy ireo antra ny lohan-dramatoa vadiny bevohoka. Hozatra kely sisa nitazona ny lohan’ilay vehivavy izay maty teo ho eo. Araka ny vaovao voaray dia tsy nandositra tanam-polo ireo dahalo tsy nahazo ny rembiny tamin’ity tokantrano iray ity, fa lasa nanafika valan’omby akaiky teo. Nanapoaka basy hatrany izy ireo mba ampitahorana ny mponina teo an-tanàna tsy hanohitra. Omby no 40 lasan’ireo malaso. Afaka adiny iray taty aoriana vao nanao ny fanarahan-dia ny vatan-dehilahy teo an-tanàna. Tao anaty fifampitifirana, dahalo iray namoy ny ainy.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.