Namoy ny ainy omaly talata 17 jona maraina tao amin’ny hopitaliben’i Morondava ilay tovovavy vao 16 taona naolana lehilahy miisa telo tao Belatro, Kaominina sy Distrikan’i Mahabo, herinandro vitsy lasa izay.
Antony tena niteraka ny fahafatesan’ity tovovavy ity raha araka ny vaovao voaray ny ratra diso tafahoatra tamin’ny taovam-pananahany ankoatra ny fandoroana ny tenany. Rehefa vitan’izy telolahy tsy mataho-tody ireto mantsy ny nataony dia nodorany indray koa ity tovovavy ity. Anadahiny ihany anefa ny iray tamin’ireo. Efa niezaka nanavotra ny ain’ity tovovavy ity avokoa ireo tompon’andraikitra tao amin’ny hopitaliben’i Morondava, araka ny fantatra ihany, saingy tsy tana intsony ny ainy. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.