Tsy milamina ny tany ! Nisy nanafika tamin’ny lalana eo anelanelan’i Bekopaka sy Andemaka, Distrikan’Antsalova, Faritra Melaky ny fiara tsy mataho-dalana iray nitondra mpizahatany vahiny ny alatsinainy teo
Tsy nisy aina nafoy na naratra fa ny fananan’izy ireo no norobain’ireo mpanakan-dalana. Manamaloka ny tontolon’ny fizahantany eto Madagasikara ny tranga toy izany. Hiditra anaty fialantsasatra anefa isika izay vanim-potoana mahamaro ny mpizahatany tokony ho tonga eto. I Madagasikara rahateo mihevitra ny hampiantrano mpizahatany telo hetsy amin’ity 2014 ity. Ho sarotra ny hanatratra ny tanjona raha tsy voafehy ity resaka tsy fandriampahalemana ity, ary koa ny tsy hiverimberenan’ny fanafoanana sidina ataon’ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar toy ny niseho tato ho ao izay.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.