BEKITROBAKA ANTSOHIHY

Fatin-jazakely nisy ratra nariana


  • Talata 06 Febroary 2024

Fatin-jazakely iray menavava omaly Alatsinainy 05 Febroary no nisy nahitana tany Bekitrobaka,

distrikan’Antsohihy. Raha araka ny fantatra dia nisy ratra teo amin’ny vatan’io zazakely io ary teo akaikin’ny fanariam-pako no nariana ny vatana mangatsiakany. Zaza heverina fa vao teraka ity zaza ity no nodarohana mba ho faty, raha ny fahitàna ny ratra teo amin'ny lamosiny izay manakaiky ny tendany. Niankohoka rahateo no nahitana azy raha ny fanazavan'ireo olona nanatri-maso. Olona sendra nandalo moa no nahatsikaritra ity tranga mampalahelo ity. Tsiahivina moa fa ankoatra ny fanolanana dia nahazo vahana ihany koa tato ho ato ny fanariana zaza nalana na zaza vao teraka eny amin’ny fanariam-pako…Misy mihitsy aza ilay nalevim-belona toy ny nitranga tany Toliara ka ny tapany ambany no nototoran’ireo tsy mataho-tody tany. Amin’ny ankapobeny moa raha araka ny fanazavan’ny psikology iray dia vokatry ny olana ara-tsaina mety mahazo ilay Reny niteraka no mahatonga ireny hanaotao foana tahaka izany toy ny fandavana na fanarian’ny olon-tiany azy arahin’ny fahasahiranana lalina mety mahazo azy sy ny fianakaviany vokatry ny hasarotan’ny fiainana. Na inona na inona anefa mety ho antony dia famonoan’olona hatrany no dikan’izany izay melohin’ny lalana tanteraka.
Pati
Legende : Santionany tamin’ireo zaza nisy nanary !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT