Actualités

Bekisoa Soavimasoandro Raikitra ny adin’ny Sinoa sy karana amin’ny Malagasy


  • Talata 19 Septambra 2017

Maromaro ihany izay raharahana ady tany nitranga tato ho ato izay. Tapa-bolana lasa izay dia vahoaka an’arivony no nitokona tetsy amin’ny fokontanin’i Bekisoa Soavimasoandro ao amin’ny firaisana faha 5.

Araka ny fitarainan’ireto mpitokona ireto dia efa taranaka faha 4 nandimby ny tany izay kasaina teratany sinoa hobodoina eny an-toerana izy ireo. Nisy ny tambajotrana mpangala-tany izay olona miisa 30 eo ho eo, raha ny fanazavana, izay nanodinkodina ny tany ka namarotra ny tanin’izy ireo tamina teratany sinoa sy karana avy eo. Ny nahagaga anefa, hoy izy ireo, dia rehefa nandeha ny ady dia izahay tompontany indray no notorian’ireo teratany vahiny ka olona 5 vokatr’izany no voaantso teny amin’ ny polisy misahana ny boriborintany faha-8 eny Analamahitsy ny sabotsy teo ary omaly alatsinainy dia tsy nisy fiantsoana fa avy hatrany dia niakatra fampanoavana ary nidoboka am-ponja ny 2. Ilay sinoa indray, hoy izy ireo no nitory fa nangalatra tany izahay. Mbola mitohy noho izany ny fitokonan’ireto mponina ireto satria dia izahay indray, hoy izy ireo, no lazaina fa mangalatra ny taninay.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT