BEKAPAIKA TSARATANANA

Lehilahy tratra teo am-panolanana zazavavy kely 10 taona


  • Alarobia 06 Martsa 2024

Tsy mba honohono intsony fa teo am-pampiharana ny habibiany tamin’ny

fanolanana zazavavy kely iray vao 10 taona monja no saron’ny miaramila avy ao amin’ny BOA Bekapaika, distrikan’i Tsaratanana ny lehilahy iray afak’omaly Alahady hariva. Teo am-pamovokovohana mihitsy ilay tsy mataho-tody no tratra ka noraisim-potsiny. Raha araka ny fantatra dia nanararaotra ny nahamaizina ny andro ny anaolahy ka nanampatra ny filan-dratsiny tamin’ilay zaza. Soa ihany anefa fa nisy ireo miaramila nanao fisafoana ireo. Efa natolotra ny Zandary any an-toerana avy hatrany moa ity farany ka mety hiakatra fitsarana androany Alarobia. Ilay zazavavy kely kosa efa nentina nanatona mpitsabo hijerena ny mety ho fahavoazana nahazo azy. Raha araka ny fanazavan’ny psikology iray moa dia aretin-tsaina na vokatry ny ratra anaty mahazo ilay lehilahy na koa vokatry ny fifohana zava-mahadomelina no antony manosika azy ireny hanolana tahaka izao ka ireo olona marefo noho izy no tsy maintsy hampiharany izany izay tsy voatery ho filana no hanaovany azy fa hanalany ny hatezerana na lonilony na habibiana ao anatiny te-hivoaka. Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay tovolahy mpanolana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT