Nieren-doza i Behoririka ! Na izany aza, nikatona tsy lera ny toeram-pivarotana tamin’ireo tranoben’ny Sinoa eny Behoririka omaly, vokatry ny hain-trano nitranga tao amin’ny tranombarotra Golden. « Soudure » no voalaza fa nitarika ny loza.
Tsy nahazaka ny tanjaky ny « poste soudure » ny kaonteran-jiro nitondra azy ka nitarika akoson’aratra. Io indray no niitatra ka nitarika ny fahamaizan’ny trano. Amin’ny rihana fahatelo no nitranga ny loza, ary nihazakazaka ny afo. Ny andro rahateo mafana, ary saika zavatra mora mandray afo ka mora mirehitra rahateo koa ny ankamaroan’ireo entana amidy ao amin’ity tranombarotra ity. Tonga namono afo sy nanao izay tsy hitarany « pompiers ». Nanano sarotra ny asa, noho ny firafitry ny taotrano somary miefitrefitra sady ety dia ety. Notapahana ny lalana midina an’i Behoririka nahafahan’ny mpamonjy voina niasa nalalaka. Tsy maintsy sakanana ihany koa ny mpanararaotra. Soa fa efa tonga teny daholo ireo tompon'Andraikitra avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra notarihin’ny lefitra voalohan’ny Ben’ny tanàna, Patrick Ramiaramanana, ny Polisy monisipaly sy nasionaly, Emmo, sns. Voatery notapahana nandritra ny ora roa teo ny jiro sao niitatra ny afo. Nitohana izay tsy izy ny fifamoivohizana tamin’iny faritra iny vokatr’ity loza ity. Nirehitra ny afo tamin’ny 3 ora sy sasany tolakandro ary tsy maty sy tsy voafehy ny tany ambany rihana tamin’ny 9 latsaka alina. Efa nandeha aza ny resaka teny an-toerana hoe sao dia tokony hila vonjy amin’ny sampana mpamonjy voinan’ny Asecna. Tsy mbola nifanarahana izay handoa ny vola. Nangasihasy nijery ny fahamaizana sy ny fahapotehana moa ireo Malagasy miasa amin’io trano fivarotana io satria mazava izao fa very asa mialoha andro fety izany izy ireo ary mety hiala bala tsy handoa karama ny tompon’ny fivarotana satria hilaza fa maty antoka noho ny entana may kila.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.