Misy hatrany ny olona mivoaka an-tsokosoko ny faritra misy azy amin’izao. Fiara kely iray indray no saron’ny mpitandro ny filaminana tao Behenjy saika hivoaka
an-tsokosoko afaka omaly alahady 31 May pentekosta. Nitondra olona telo izy io izay tsy fantatra mazava ny tena anton-diany. Nampidirina ambalam-pamonjana ao amin’ny kaominina Ambohimandroso avy hatrany ilay fiara noho izany izay haharitra 10 andro ilay fiara raha natao famotorana daholo kosa ireo olona tao anatiny.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.