Behenjy

Dibo-drano ny tanàna omaly, nikatso ny RN7


  • Alarobia 07 Febroary 2024

Nanaitra ny maro ny fiakaran’ny rano tao Behenjy afovoan-tanàna amin’iny

làlam-pirenena faha-7 iny ny andron’ny omaly. Tena dibo-drano ny tanàna, ka betsaka ny toeram-ponenana dobo sy tratry ny rano tao anatin’izay. Hatramin’ny RN7 aza difotra tao, ka nampanano sarotra ny fifamoivoizana. Misy tatatra lalan-drano tsentsina mankany amin'ny tohadrano no mahatonga ny tondra-drano, hoy ny mponina. Nosokafana ireo toha-drano miisa 3 mba hivarinan'ny rano haingana, ka izay no nahafahan'ireo fiara nandeha avy eo, rehefa nisy ny fahatapahana naharitra sy ny fitohanana lavareny. Niasa be ny sarety sy posy nitatitra ireo olona sy ny moto. Voala ihany koa anefa fa efa nisy ny tranga tahaka izao tamin’ny taon-dasa, ka tokony hitadiavana vahaolana maharitra, hoy hatrany ny mponina.
Toky R
Sary indrana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT