Actualités

Be-Rija Ravelomanantsoa Afaka nandevina ny zanany lahimatoa


  • Talata 28 Novambra 2023

Nomena fahafahana hivoaka ny fonja handevina ny zanany lahimatoa

izay nindaosin’ny fahafatesana teo amin’ny faha-8 taona Be-Rija Ravelomanantsoa ny andron’ny omaly. Izy izay tsiahivina hatrany fa fa mbola mamita sazy 44 volana any amponjan’Antanimora, nanomboka ny volana jona 2020, noho fanehoan-kevitra tamin’ny tambazotra sosialy Facebook, ka nanenjehana azy ho maniratsira fitondram-panjakana sy nanakorontana saim-bahoaka. Nampihetsi-po ny zava-niseho satria voalaza fa noho ny alahelo an-drainy no voalaza fa isan’ny nitarika tsy fahasalamana sy aretim-po ho an’io tovolahikely io, ary nitarika mihitsy hatrany fahafatesany. Any amin’ny volana febroary any indray moa, raha ny fantatra no voalaza fa tena hahataperan’ny sazin’i Be-Rija.Tonga nankahery an’i Be-Rija sy ny fianankaviany ireo mpitarika sy antoko politika samihafa tahaka ny HVM nahitana ireo avy amin’ny birao politikany, ny RMDM, ireo tanora mpanao politika samihafa,… Nanome voninahitra farany an’i Win Loyck ihany koa ireo mpiara-mianatra taminy.
Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT