Tsena goavana, tsara, manaraka ny fenitry ny varotra ara-pahasalamana no azo ilazana ny tsenan’i Bazary be Toamasina izao.
Vita tanteraka ankehitriny ilay fotodrafitrasa ary notokanana ofisialy omaly zoma 20 jona. Vola avy amin’ny orinasa Ambatovy mitentina 8 miliara Ariary no nanamboarana azy. Nanomboka ny 10 septambra 2013 ny asa ary naharitra 9 volana ny fanamboarana. Tsena mivelatra amin’ny velarana 5.300m² sy mahazaka mpivarotra 750 izy ity ary misy ireo fitaovana rehetra ilaina amin’ny resaka ara-barotra. Tsy mbola fantatra kosa ny fiverenan’ireo mpivarotra nafindra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.