Hosokafana amin'io herinandro ho avy io ny bazaribe ao Toamasina, tsena vaovao namboarin'ny tetikasa Ambatovy, notronin'ny kaominina
Manodidina ny 700 eo ho eo ireo mpivarotra hampidirina ao anatiny, ahitana ireo karazan'entana rehetra ilain'ny mponina amin'ny fiainana andavanandro. Ny « Manuel de gestion » na ny taratasy mamaritra sy mirakitra ny fitsipika ary ny fepetra hifampifehezana ao anatin’ny tsena moa sisa no nandrasana tamin'ity bazaribe ity raha efa amam-bolana no nahavitany. Natao hamaly ny filan’ny mpivarotra no sady entina hanalana fahasahiranana ny mpanjifa ihany koa ny fisiany. Marihana fa nasiana rihana ny tsena ahafahan’ny mpivarotra manana taratasy ara-dalàna mivarotra am-pilaminana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.