BATMAN » MPIFOKA RONGONY AO ALAKAMISY

Nosamborina sy naterina eny Anjanamasina


  • Alatsinainy 08 Aprily 2024

Mihabetsaka ireo tanora potiky ny fifohana rongony ankehitriny.

Ankoatra ny fahasimban’ny fahasalaman’izy ireny amin’ny ankapobeny sy ny saina dia betsaka ireo adalana hataony eny anivon’ny fiaraha-monina eny. Anisan’izany i Batman ilay mpifoka rongony eny Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano. Rehefa mandray zava-mahadomelina izy dia fantatra fa manakorontana fiaraha-monina, mandrahona sy manankan-dalana, manimba fananan'olona… Nitohy hatrany anefa ny fandraisany izany zava-mahadomelina izany ka ankehitriny dia efa tsy miverina intsony ny sainy. Noraisin'ny Kaominina Alakamisy Fenoarivo sy ny Zandarimaria Antanety II Vontovorona an-tanana noho izany ny fanaterana azy eny amin'ny hopitaly Psychiatrique Anjanamasina-Anosiala ho fiarovana azy sy ny ain’ny mponina. Ahiana hahavita zava-doza mantsy i Batman ka naleon’izy ireo nisoroka izany.
Pati
Legende : Mahavita misaoty tamboho tahaka izao i Batman rehefa mammon-drongony !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT