BATERIA NIPOAKA

Tokantrano iray kila forehitra tao Ambatondrazaka


  • Talata 03 Jona 2025

Nisehoana haintrano mahatsiravina koa tany amin'ny Fokontany Ambodiakondro,

kaominina sy distrikan'Ambatondrazaka omaly Alatsinainy 02 Jona folakandro. Tokantrano iray no lasibatra tamin'izany ka may kila hotohoto avokoa ireo entana tao anatiny. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia vokatry ny fipoahan'ny bateria tao amin'ity tokantrano ity no niandohan'ny afo. Mampiasa irony panneau solaire irony mantsy izy ireo mba hahazoana herinaratra isan'andro. Ny mpiara-monina no niara-nirodorodo tamin'ny tompon-trano namono ny afo. Na izany aza tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra. Ny tena nampalahelo tamin'ity tranga ity dia lasa lavenona tao anatin'ny indray mipy maso avokoa ny entana nohariana an-taonany maro izay mitentim-bidy am-polony tapitrisa. Manginy fotsiny ny vola sy ny firavaka izay notanisain'ny tompony intsony. Tsiahivina moa fa vanim-potoana mampahazo vahana ny haintrano ihany koa ny vanim-potoanan'ny ririnina tahaka izao ka ilana fitandremana. Tafiditra ao anatin'izany ny fampiasana labozia ateraky ny delestazy lavareny isan-kalina.
Pati
Légende : Lasa lavenona tahaka izao avokoa ny entana tao amin'ilay tokantrano !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT