Base Toliara andraisana 2% amin’ny vidina akora

«Tsy hahavita na inona na inona na oviana i Madagasikara»


  • Alarobia 06 Aogositra 2025

Raha tena resy lahatra ny fitondràm-panjakàna fa tsy misy risikana «radioactivité»,

izany hoe, akora manimba taova io tetikasa Base Toliara io, hoy ny mpahay toekarena, Jean Jacques Ratsietison, dia mifindrà monina any Toliara ianareo! Any mihitsy, hoy izy, atao ivon’ny fitantanana an’i Madagasikara. Manaova trano any, mipetraka any, monina any miaraka amin’ny fianakaviana! Any atao ny filankevitry ny minisitra sy governemanta ahitàna izany hoe tsy misy risika izany io. Moramora ny miteny hoe misy manam-pahaizana efa nijery. Karamainao izy ve tsy hilaza hoe mety io? 25 taona no nitrandrahana ny elmenita tany Taolagnaro fa aiza izay miliara Dolara tany? Tany no efa tokony nanomboka raha marina ny filazàna fa hanome miliara Dolara antsika io Base Toliara io, hoy hatrany ity mpahay toekarena ity. 2%n’ny vidin’ny akora no fantatra fa ho raisintsika. Na atao hoe 1/3n’ilay vola voalaza fa ho azo amin’ny QMM fotsiny aza no 2% dia 3 miliara Dolara izany no azo raha kely indrindra. Noraisintsika ve io 3 miliara Dolara io? Tsia! Aiza ilay hoe «fond souverain»? Vola avy aiza? Raha 2%n’ny vidin’ny akora na 60 tapitrisa Dolara no raisintsika miampy kely an’izay lazainy tampotampoka eo, nefa hoe 25 taona izy no tsy nahazo tombom-barotra dia tampotampoka eo hoe misy seky 11 tapitrisa sa 13 tapitrisa Dolara izy teo? Nanao kajy aho. Raha 60 tapitrisa Dolara no 2% dia misy 3 miliara Dolara tsy hitantsika izany. Raha mbola 2%n’ny vidin’ny akora no raisintsika, tsy hahavita na inona na inona na oviana i Madagasikara. Tsy misy dikany izany 180 tapitrisa Dolara izany. Mandalo izany dia miserana dia lasan’ny MID na «Marché interbancaire de devise» dia tapitra, hoy hatrany ity mpahay toekarena ity.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT