Actualités

Bas Mangoky Mbola ahiana fatratra ny tsy fahampian-drano


  • Alakamisy 09 Jolay 2015

Na dia efa nanantena fatratra aza ny vahoaka mpamboly any amin’ny lemak’i Bas Mangoky any Morombe tamin’ny nahavitan’ny fanamboarana ny vavarano (Prise) tany an-toerana ary nitokanan’ny filoham-pirenena izany nivantana mihitsy tamin’ny faha-28 jona lasa teo, dia tena diso fanantenana tanteraka satria mbola tsy mivaha foana hatreto ny olana ara-drano mahazo an’iny toerana iny.

 

Ny antony dia tsotra, hoy ny mpanamarim-bolan’ny federasiona FAMA na ny”Fédération des Associations” any Morombe azy, Atoa Mahatrats Jean, satria tsy io resaka “Prise” simba io irery tsy akory no mahatonga ny tsy fahampian-drano ao amin’ny lemak’i Bas Mangoky ao fa teo koa ny tsy fisian’ny fikojakojana mihitsy ny “dessableur”. Raha ny marina, hoy izy, dia tsy nataon’ny tetikasa PRBM na ny Projet de Réhabilitation du Bas Mangoky nanankinan’ny fanjakana ny fanatanterahana ny asa mihitsy ny asa nankinina taminy fa ilay federasiona misy anay hatrany no nanatanteraka izany tamin’ny izay kely nanany tao. Kely nanany satria voalaza fa efa misy tetibola hampiasain’ity federasiona ity ao amin’ny tetikasa FERHA na Fond d’Entretien du Réseaux Hydro-Agricole ho an’i Bas Mangoky ka tsy nomena ny fanampiana avy amin’ny fanjakana fanome ny lemaka rehetra toy ny any Marovoay sy Ambatondrazaka i Bas Mangoky. Mbola tsy azon’ny federasiona koa tetsy andanin’izay ireo fitaovana nampanantenain’ny fanjakana fa hikojakojana ny “Prise vaovao”, izay efa natolony ny tetikasa DRDA na Développement Régionale de Developpement Agricole Atsimo Andrefana. Ao izany ny lapela hanalana ny fasika, ny vola ho enti-manana ny fanangonana ireo vola azo avy any amin’ny farita manodidina ary ny fitaovam-pifandraisana toy ny telefaonina “portable”. Vahaolana arosonay ary efa nandefasanay taratasy any amin’ny mpitondra fanjakana ambony, hoy Atoa Mahatratsy Jean, ny hanatsaharan’ny tetikasa PRBM sy ny DRDA ny firaisana tsikombakomba amin’ny fitapitaka atao amin’ny vahoaka fa tena mampidi-kizo azy ny findramam-bola ataon’ny tetikasa amin’ny mpamatsy vola avy an ivelany nefa tsy mitondra tombontsoa hoan’ny vahoaka akory. Takianay federasiona koa, hoy izy, ny hanomezana “transfert de gérance” amin’ny fitantanana ity tetikasa ity.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT