Actualités

Barthelemy Samuel Ravelonasy “Olana goavana ho an’i Brickaville ny herinaratra”


  • Alakamisy 10 Septambra 2020

Be dia be ny foto-drafitrasa hatsangana momba ny rano fisotro madio, izay nahazoana famatsiam-bola avy amin’ny minisiteran’ny rano ao amin’ny kaominin’i Ranomafana, distrikan’i Brickaville,

 

 

hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Barthelemy Samuel Ravelonasy. Ny olana goavana ho an’ity kaominina ity anefa dia ny lafiny herinaratra, hoy izy, ary manao antsoavo amin’ny fanjakana foibe izahay mba hamatsy herinaratra mandeha amin’ny rano satria maro rian-drano azo hisintomana angovo azo havaozina aty. Na dia efa manao izay vitany mikasika ny fampianarana aza ny kaominina dia mbola mangataka amin’ny fanjakana ny amin’ny handraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra FRAM betsaka tokoa izay mbola hiantoan’ny fokonolona. Na ho vita aza tsinona ny trano ka mbola tsy tomombana ireo mpampianatra dia tsy ho zarizary foana ny fampianarana. Misy koa ny tetikasa fametrahana toeram-pizahantany goavana atao hoe “Ranomandevy” izay toy ireny “Ranomafana” hita any Antsirabe ireny. Tetikasa isan’ny ho reharehan’ny faritra Atsinanana io, hoy hatrany izy, raha tontosa izay fanajariana harena voajanahary izay.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT