Nanamafy ny Filoha Rajoelina ny alin’ny 09 aogositra, fa afaka mindram-bola tsy zanany 200 000Ar hatramin’ny 500 000Ar haloha 10%
amin’ny karama mandritra ny herintaona ny mpiasa ara-dalàna mpikambana ao amin’ny CNaPS. Namaly bontana avy hatrany ny Randrana sendikaly, izay tsy nankasitraka an’io. Efa be dia be ny bokan-trosan’ny banky, bokan’ny trosan’ny fiarahamonina, dia izao indray dia ny Filoham-pirenena no miteny hoe: mahazo mitrosa ianareo, hoy I Barson Rakotomanga mpandrindra ny Randrana Sendikaly. Famonoana ny mpiasa aty amin’ny sehatra tsy miankina izany ka nahoana ny fanjakana no manao izany kanefa ny mpiasam-panjakana karakaraina tsara sy ampiasaina daholo ny vola fanampiana rehetra hikarakarana azy ireo? Hoy izy. Nahitsy izy naneho tamin’ny sehatra tsy miankina hoe: “famonoana antsika aty amin’ny sehatra tsy miankina izao ataon’ny fanjakana izao. Aiza no ahitantsika vola hanonerana izany? Ny olona tratry ny “chômage technique”, very asa,… no tena mila vola fa tsy ilay olona antsasa-karama no raisina. Raha mbola miasa sy mahaloa trosa dia mety tsy maninona fa ireto dia ireo efa very asa sy noroahina ka aiza no hanonerana izany? Isika ve mahatoky fa hahita asa izy amin’ny janoary? Sao dia tsy rariny izao atao amin’ny sehatra tsy miankina izao? Hoy i Barson Rakotomanga. Tsy ekenay izany, ary mitohy ny tolona ho an’ny mpiasa rehetra, mitohy ny fanangonan-tsonia ka 10 000 indray no tratrarina, raha ny nambaran’io mpitarika sendika io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.