Nanapa-kevitra ny mpianatry ny onioversite ao Barikadimy Toamasina, taorian’ny fivorian’izy ireo omaly, fa raha tsy misy valiny hatramin’ny alatsinainy izao ny fitakian’ireo mpampianatra SECES mahatonga ny tsy fihodinan’ny fampianarana izao dia hitokona ihany koa izy ireo hitaky ny zony hianatra amin’ny fanjakana.
Hihamafy izany raha ela ny vahaolan’ny fanjakana. Omaly hariva ihany anefa dia efa nisy andiana mpianatra nitangorongorona, sady nandoro kodiarana, teo amoron’ny lalam-pirenena faharoa, hivily ao amin’ny oniversite. Nanamafy ireto mpianatra ireto fa efa nanao ezaka ny oniversiten’i Toamasina nanatsara ny tontolo iainan’izy ireo tamin’ny trano fandriana sy fianarana, efa nihafy namono taona iray ny mpianatra mba hanitsiana ny fampianarana tara nefa izao miverina izao ihany ny olana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.