Bar sy toeram-pandihizana tao Taolagnaro

Zaza tsy ampy taona 12 nosamborin'ny polisy


  • Alatsinainy 25 Martsa 2024

Mitohy ny hetsika ataon'ny Polisy amin'ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona ka

ny alin'ny 22 marsa teo dia nisy ny fidinana ho fanarahamaso ireny toeram-pandihizana sy fisotroana ireny tao Taolagnaro. Toeram-pandihizana miisa 03 sy toeram-pisotroana miisa 08 no nanaovana fisavana ka zaza tsy ampy taona 12 no hita teny amin'ireny toerana ireny. Noentina namonjy ny Kaomisaria izy ireo, nampanantsoina ny Raimandreny ary nampahafantarina azy ireo ny adidiny araka ny voalazan'ny lalana manankery. Manana adidy sy zo hanara-maso ny zanany tsy ampy taona ny Ray amandreny, ary afaka miantso ny mpitandro filaminana izy raha toa ka misy olona mitarika na manodikodina ny zanany handeha amin'ny toerana tahaka ireny. Nampatsiahy hatrany fa voararan'ny lalàna ny fandraisana zaza tsy ampy taona eny amin'ny toerana toy ireny ny polisim-pirenena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT