Actualités

BAR mivoha mihoatra ny amin’ny 9 ora alina Mety hiafara amin’ny fanakatonana ny hamafisan-dohan’ny mpivarotra


  • Talata 16 Septambra 2014

Mbola misy hatrany ireo toeram-pisotroan-toaka mivoha mihoatra ny amin’ny 9 ora alina eto an-drenivohitra.

. Anisan’ny ahitana izany betsaka ny eny amin’ny faritr’Ambohipo sy 67 ha, antony miteraka ny tsy fandriampahalemana amin’ny ankapobeny. Raha araka ny resaka nifanaovanay tamin-dRamamonjisoa Haja, tompon’andraikitra misahana ny ady atao amin’ny fifohana sigara sy ny fandrapahana paraky eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ary  dia hanomboka hidina ifotony indray izy ireo ato ho ato hijery akaiky ny mikasika izany. Mbola misy hatrany mantsy ireo mpivarotra minia manampin-tsofina, hoy ihany ity tompon’andraikitra ity ka ho an’ireo izay tratra dia hisy avy hatrany ny fampandoavana lamandy azy mitentina 50.000 Ar. Raha mbola tratra fanindroany anefa ilay toeram-pivarotana dia hisy ny fisintonana ny taratasy fahazoan-dalana nomeny azy ary mbola manao ihany dia mety hiafara amin’ny fanakatonana ny tsenany mihitsy izany. Mikasika ireo mpivarotra amoron-dalana izay efa manana ireo mpanjifany mivoaka alina ary misotro anaty fiara dia efa eo am-pamolavolana ny paikady hoenti-miady amin’izany ny kaominina amin’izao fotoana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT