Nankalazaina fatratra tamin’ny aprily 2012 ny fambolena reniala mifankatia na «baobab amoureux» teny amin’ny «Allée des Baobabs» ao Morondava. Ny filohan’ny tetezamita tamin’izany fotoana, Andry Rajoelina mivady rahateo moa no niara-namboly azy
Nampitondraina ny anaran’izy ireo mihitsy aza ilay zavamaniry. Roa taona aty aoriana, fantatra fa veloha ihany, fa mitsipozipozy ilay reniala mifankatia «Andry sy Mialy». «Ahiana ho faty raha tsy misy fikarakarana», hoy ny teknisianin’ny ala iray. Toerana mahasarika mpizahatany ny «Allée des Baobabs», tsy vitsy ny liana mba te hahita ilay «baobab amoureux», noho izy mahalana no ahitana azy, nefa raha izao no fandehany dia mety hanjavona hanaraka ny tetezamita izany ilay izy !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.