Banquier" an'i Mamy Ravatomanga

Nosamborina tao Maorisy ihany koa


  • Alatsinainy 27 Oktobra 2025

Mijanona am-ponja ny Bank Manager,

Mohammad Shameem Jaunmahomed, raha ny fampitam-baovao voaray avy atsy amin'ny nosy Maorisy ny sabotsy teo. Voampanga ny talata teo i Mohammad Shameem Jaunmahomed, Bank Manager ao amin’ny Mauritius Commercial Bank na MCB noho ny fiampangàna vonjimaika amin’ny “entente délictueuse” na fifanarahana hanao heloka bevava, hoy ny fanazavana. Voalaza fa niara-niketrika heloka bevava amin’ny famotsiam-bola izy, araka ny lalàna Financial Crimes Commission Act 2023. Nitranga tao amin’ny MCB any Port-Louis ny raharaha, ny 5 septambra 2025. Ity lehilahy 55 taona ity dia naverina notanana am-ponja hatramin’ny 23 septambra 2025, taorian’ny nanakan’ny Financial Crimes Commission na FCC ny fangatahany famotsorana amin’ny fianianana na "caution" izany. Nosamborin’ny FCC tamin’ny alatsinainy hariva i Mohammad Shameem Jaunmahomed. Ahiahiana izy ho nankato fampindramam-bola mitentina Rs 800 000 ho any amin’ny kaontin’i Allysaheb Jagai, zanaky ny Surintendant de police Ashik Jagai, izay efa voatazona am-ponja amin’izao fotoana izao. Ao anatin’ny fanambaràna navoakan’ny sampan-draharahan’ny serasera an’ny MCB tamin’ny talata 16 septambra, nilaza izy ireo fa nahafantatra ny vaovao mikasika ny fisamborana an’i Mohammad Shameem Jaunmahomed, ary manamafy fa miara-miasa tanteraka amin’ny manampahefana izy ireo ary vonona hanampy bebe kokoa raha ilaina, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Raha ny fanamarihana voaray moa izany dia mbola mpikirakira vola na "banquier" manana fifandraisana amin'ilay mpandraharaha goavana malagasy, Mamy Ravatomanga, ihany koa ity nosamborina tao Maorisy ity.
Nangonin'i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT