Actualités

Banky Foiben’i Madagasikara Natao roaka alika ny mpanao gazety


  • Sabotsy 04 Novambra 2017

Nanao valandresaka sy fampitam-baovao ho an’ny mpanao gazety teny amin’ny Hotely Le Louvre Antaninarenina ny avy amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) tarihin’ny governora Alain Rasolofondraibe omaly maraina.

 

Tsy ny mpanao gazety rehetra kosa no nampanantsoina fa ireo miasa amin’ny haino aman-jery mpanohana sy mpomba ny mpitondra ihany. Na izany aza, maro ireo mpanao gazety amina haino aman-jery hafa eto an-drenivohitra no tonga teny an-toerana. Nambenana teo am-baravarana sy tsy navela niditra anefa izy ireo na dia nisy soratra “conference de presse” aza. Ara-bakiteny ny hoe “tratry  ny roaka alika” sy nohivahivaina tanteraka ny mpanao gazety tamin’ity indray mitoraka ity. Tsy fantatra mazava ny antony. Ampahany tamin’ny vava navoakan’ny avy amin’ny BFM ny hoe: “Rehefa tsy ao anatin’ny fitondrana dia mandehana mandeha”. Miaraka amina basy mihitsy ny mpanakana ka niala maina tsy afa-niditra ireo mpanao gazety taorian’ny tsy fifankahazoana. Tsy ilain’ny BFM intsony amina resaka fampitam-baovao izany ny orinasan-tserasera ankoatra ny mpanohana ny fitondrana ? Toa mba nisy ihany ny fotoana niantsoana ny mpanao gazety tsy an-kanavaka tamin’ny famoahana ireo vola vaovao, saingy nahoana no nasiana sivana tamin’ity indray mitoraka ity ? Raha resaka fampahalalam-baovao nivoaka mety tsy dia ankasitrahany loatra dia zony ny mitondra fanitsiana na koa mifanazava raha ilaina fa tsy vahaolana ny fanaovana roaka alika mpanao gazety. Tsy atao mahagaga ny mety ho fisian’ny resaka maizimaizina sy hafenimpenina ao amin’ny BFM. Efa nisy, ohatra, ny resabe nivoaka momba ny fisian’ny volabe hatrany amin’ny 19 miliara mivoaka an-tsokosoko amin’ny andro alina, ka mety ho anisan’ny mitarika fankahalana mpanao gazety ny famoahana ny resaka tahaka ireny. Olana eto amintsika ny fahasarotan’ny fahazoana loharanom-baovao noho ny toe-javatra tahaka izao. Mety ho lojika foana ny hoe tsy izay mifanaraka amin’ny sain’ny mpitantana ny sampandraharaham-panjakana tahaka ny BFM ihany no hivoaka amin’ny vaovao, fa azo heverina ny fanatsikafonana  zavatra tsy mety hanitsiana ny dia sy ny ho avy, ka tsy tokony handraisana fahavalo ny mpanao gazety satria adidiny izany. Andrasana izay ho fanambaran’ny minisiteran’ny serasera sy ny  holafitry ny mpanao gazety manoloana iny toe-javatra omaly iny. Eo ihany koa ny mety ho fanazavan’ny BFM.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT