Voantendry ho tale jeneralin’ny Banky Foiben’i Madagasikara, araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny filan-kevitry ny minisitra omaly Atoa Rakotondramanga Jules Théodore,
tsy vahiny amin’io sehatra io moa izy satria sekretera jeneralin’ny « commission de supervision bancaire et financiere » teo anivon’ny Banky Foibe ihany mialoha izao fanendrena azy izao.Ankoatr’izay dia tsy mbola voatendry ny tale kabinetran’ny fiadidiana ny repoblika iray volana taorian’ny nanesorana an’i Henri Rabary Njaka.Notendren’ny filan-kevitry ny minisitra omaly ho talen’ny serasera eny amin’ny fiadidiana ny praiminisitra kosa Rtoa Rakotomalala Rabarison Tanteliarimiza, raha toa ka ny kolonely Ramasitera Ny Haingo Zafinirina no lasa komandin’ny sekoly ambonin’ny zandarimariam-pirenena ao Moaramanga.Mpiasam-panjakana ambony 14 moa no notendrena nandritra ity filan-kevitry ny minisitra omaly ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.