Actualités

Banky Foiben’i Madagasikara Mihamanify ny tahirim-bola vahiny


  • Alatsinainy 15 Septambra 2014

Tsy maintsy mandalo ao anatin’ny tsena fifanakalozam-bola farafahakeliny ny 10%-n’ny tahirim-bola vahiny tanterahan’ireo mpandraharaha mpanondrana entana Malagasy, hoy ny baiko midina navoakan’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) nanomboka tamin’ny 25 aogositra 2014 lasa teo.

. Fe-potoana 15 andro no homena azy ireo hanatanterahana ny asa mifanaraka amin’izany. Mety kokoa amin’ireo mpanafatra entana anefa ny mitahiry ireo devizy any amin’ny banky tsotra manoloana ny fitotongan’ny Ariary ankehitriny. Manodidina ny 500 tapitrisa dolara moa ireo tahirim-bola vahiny mipetra-potsiny any amin’ireo banky tsotra, araka ny vinavinan’ny BFM. Antony nandraisana io fepetra io ny faharitran’ny tahirim-bola vahiny tsikaritra nanomboka tamin’ny volana jolay lasa teo, araka ny tsilian-tsofina heno. Tsy mahagaga firy ireo mpikirakira ny toekarena ny fisehoan-javatra tahaka izao satria nionona fotsiny tamin’ny tahirim-bola vahiny napetraky ny fitondrana Ravalomanana mitentina hatrany amin’ny arivo tapitrisa dolara tao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara ny mpitantana nandritra ny tetezamita. Iaraha-mahalala anefa fa tsy mifanentana ny fanafarana sy ny fanondranana entana dia mitarika ny tsy fahampian’ny tahirim-bola vahiny toy ny mitranga eto amin’ny firenena Malagasy ankehitriny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT