Vonona hanome vahana ireo mpandraharaha indray ny banky BNI Madagascar. Nampahafantaran'izy ireo omaly tetsy amin'ny foibeny etsy Analakely ny fisokafan'ilay hetsika hahafahan'ny rehetra mindram-bola ao aminy, haharitra roa volana
Ho an'ireo mpandraharaha manokana dia ny mba hahafahan'izy ireo manitatra ny asa sahaniny no tanjona amin'ny alalan'ny fifanohanan'ny roa tonta. Tsy latsa-danja amin'izany ny olon-tsotra manana tetikasa goavana toy ny fananganana trano raha eo ihany koa ireo efa matihanina. Raha tsiahivina moa dia mbola miezaka manampy ny mpanjifany hatrany ity banky ity na dia efa niova mpitantana sy sary famantarana aza. Ny volana jona lasa teo no namidiny ny anjaran'ny credit agricole izay manana renivola hatrany amin'ny 51 %. Mbola miasa kosa ny an'ny fitondram-panjakana hatramin'izao. Ankoatra an'i Madagasikara moa dia anisan'ny niharan'izany ihany koa ny banky tao Afrika sy ny tany Amerika latina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.