Efa nahazo ny ampaham-bolany ireo mpanjifa ny banky BICM sasany, nanao hetsika mba hamerenana ny volan'izy ireo taorian'ny nanakatonana ity banky ity, roa volana lasa izay.
Tamin'ity volana Jolay ity ny sasany tamin'izy ireo no nahazo ny anjarany. Nampahafantatra ny mpanao gazety io zava-misy io ireo mpikambana ao amin'ny mpanjifa ny banky BICM omaly no sady nanoro hevitra ireo namany sasany ihany koa hahafahan'ny mpamoaka vola na “liquidateur” manome ny volan'izy ireo. Misy mantsy ny fikarakarana antontan-taratasy tsy maintsy hatao, hoy ihany izy ireo. Nisaotra ny mpmoaka sy ny minisitera tompon'andraikitra ireto mpanjifa ny banky BICM ireto noho izany. Nody ventiny ny rano nankatsaina na dia niangavy ny mba handoavany izany tsikelikely aza ny “liquidateur”, hoy izy. Tsy nety nilaza ny ampaham-bola efa azony anefa ireo efa nahazo na dia nohadihadiana mafy aza.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.